2 Corinthians 12

1Izaho dia tsy maintsy mirehareha, fa tsy misy na inona na inona azo avy amin’izany. Fa izaho dia hanohy ny amin’ireo fahitana sy ireo fanambarana avy amin’ny Tompo. 2Mahafantatra lehilahy ao amin’i Kristy aho izay efatra ambin’ny folo taona lasa izay—na ao amin’ny tena na ivelan’ny tena, izaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra—nalaina niakatra tany amin’ny lanitra faha telo.

3Ary fantatro fa io lehilahy io—na ao amin’ny tena, na ivelan’ny tena, izaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra— 4dia nalaina niakatra tao amin’ny paradisa ary nandre zavatra izay tena masina loatra amin’ny olona ny hilaza azy. 5Amin’ny anaran’ny olona tahaka izany dia hirehareha aho. Fa amin’ny anaran’ny tenako dia tsy hirehareha aho, afa-tsy ny momba ireo fahalemeko.

6Raha te hirehareha aho, dia tsy ho adala aho, fa te hilaza ny marina. Fa hifehy tena amin’ny fireharehana aho, mba tsy hisy na iza na iza hihevitra ahy ho ambony noho izay hita amiko na re avy amiko. 7Hifehy tena amin’ny fireharehana ihany koa aho noho ireo karazana fanambarana miavaka ireo. Noho izany, mba tsy ho feno fireharehana aho, dia nasiana tsilo ny nofoko, ny mpitondra hafatr’i Satana hanakorontana ahy, mba tsy hirehareha loatra aho.

8Intelo aho no nitalaho tamin’ny Tompo ny momba izany, mba hanaisorany izany amiko. 9Fa hoy izy tamiko hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny hery dia natao ho lafatra ao amin’ny fahalemena.” aleoko mirehareha bebe kokoa ny amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy ato amiko. 10Noho izany finaritra noho i Kristy ao amin’ny fahalemena, amin’ny fanevatevana, amin’ny korontana, amin’ny fanenjehana ary ao amin’ny fotoan-tsarotra aho. Fa na oviana na oviana malemy aho, dia matanjaka.

11Izaho dia lasa adala! Ianareo no nanery ahy amin’izany, fa izaho dia tokony noderainareo. Fa izaho dia tsy ambany noho ireo izay antsoina hoe apostoly ambony ireo mihintsy, na dia tsinontsinona aza aho. 12Ireo famantarana marina ny maha Apostoly dia notanterahina teo aminareo tamin’ny faharetana tanteraka, famantarana sy fahagagana ary asa mahery. 13Fa ahoana ianareo no tsy dia manan-danja noho ireo fiangonana sasany, ankoatry ny tsy maha vesatra ahy ho anareo? Mamelà ahy noho izany fahadisoana izany!

14Indro! Vonona ho tonga fanintelony any aminareo aho. Tsy ho vesatra ho anareo aho, fa izaho dia tsy mila izay anareo. Ianareo no ilaiko. Fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ireo ray aman-dreny. Fa kosa, ireo ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ireo zanaka. 15Izaho dia ho faly tanteraka handany sy ho laniana ho an’ny fanahinareo. Raha mitia be anareo aho, dia hotiavina kely ve izaho?

16Fa na dia toy izany aza, tsy nanavesatra anareo aho. Fa, satria aho fetsisetsy be, dia izaho ilay iray izay nahazo anareo tamin’ny fitaka. 17Moa ve nanararaotra anareo tamin’ny alalan’ny olona izay nalefako taminareo aho? 18Naniraka faingana an’i Titosy ho any aminareo aho, ary nalefako niaraka taminy ireo rahalahy sasany. Moa ve nanararaotra anareo i Titosy? Moa ve tsy miray lalana isika? Moa ve tsy niray dia isika?

19Moa ve mieritreritra ianareo fa nandritra izany fotoana rehetra izany dia niaro ny tenanay taminareo izahay? Eo anatrehan’Andriamanitra, no itenenanay tao amin’i Kristy ny zavatra rehetra mba ho fampaherezana anareo.

20Fa matahotra aho fandrao rehefa tonga aho dia mety tsy hahita anareo araky ny fanantenako. Matahotra aho fandrao tsy ho hitanareo araky ny fanantenanareo. Matahotra aho fa sao dia mety hisy fifandirana, fialonana, firehetan’ny hatezerana, fikasana amin’ny fitiavan-tena, fifosana, fieboeboana, ary fikorontanana. Matahotra aho fandrao rehefa miverina, dia hanetry ahy eo anatrehanareo ny Andriamanitro. Matahotra aho fandrao mety halahelo ny amin’ireo maro izay nanota teo aloha, ka mbola tsy nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana feno fanirian-dratsy izay nataon’izy ireo.

21

Copyright information for PltULB